Gada (mpaminany)

I Gada dia mpaminanin'i Israely resahina ao amin'ny Baiboly. Sahala amin'i Natàna dia mpaminany nanolo-tsaina an'i Davida i Gada, sady lazain'ny lovantsofina jiosy fa nanandray anjara niaraka amin'i Samoela tamin'ny fanoratana ireo Bokin'i Samoela.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy